Niakatra teny anivon’ny Pac 67 Ha, omaly, ireo olona enina voarohirohy tamin’ny fanaovana kolikoly sy fanapariahana laza adina mialoha, hidirana ho mpirakidraharaha eo anivon’ny fitsarana (ENMG). Mpiasa eo anivon’ny sekoly ny telo amin’izy ireo, izay samy niaiky heloka avokoa. Nanda ny fiampangana azy kosa ny olona telo hafa. Andrasana ny […]
Mois : mai 2026
Kaominina Tsifota : Notampenan’ilay teratany vahiny ny lalana
Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa mihetraketraka ao amin’ny kaominina Tsifota, Toliary II, ny teratany vahiny iray. Nohidiny tsy azo andehanana intsony ny lalam-bahoaka. Manana trano fandraisam-bahiny izy ary mbola nividy tany hafa, elanelanin’ny lalana amin’izany toerana izany. Notampenany ny lalana, raha nanaja ny fahafahana mampiasa izany avokoa ireo rehetra mipetraka amin’io […]
Nihinana composé : Olona 69 niara-narary
Olona 69, miara-tsaboina eny anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, nanomboka ny alahady lasa teo. Nihinana composé tamina tsena mpivarotra hani-masaka tetsy Namontana izy ireo, ny zoma sy sabotsy lasa teo, raha ny fanazavana voaray. Nanomboka narary sy hafahafa ny toe-pahasalaman’izy ireo, taorian’ny fihinanana io sakafo io. Samy narary kibo, nandoa sy […]
Mamo nikiry nitondra moto : maty tsy tra-drano voahosin’ny kamiao
Maty tsy tra-drano ny tovolahy iray, omaly, tany Toamasina. Mamo, nikiribiby nitondra moto izy. Nianjera tany ambany kamiao rehefa avy nandona mpitarika posy. Vokany, maty notetezin’ny kodiarana. Nandriaka ny ra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Toamasina, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Tovolahy iray tokony ho 25 taona, maty […]
Karate Analamanga : Nahomby ny fanokafana ny taona
Fahombiazana ny fifaninanana fanokafana ny taom-pikatrohana 2026, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja Karate, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Nahavory mpijery sy mpifaninana an-jatony ny Ligy Tournament Karate eto anivon’ Analamanga. Nahatonga solontena avokoa ireo seksionina 8 mandrafitra ny ligy ary feno hipoka ny teny Ankorondrano. Tetsy ankilany, […]




