Mois : mai 2026

“Kanto Miampita” 2 : Hamelona an-tsehatra ireo hiran’ny tarika Les Surfs

Mamelona, mamerina, mampiaina ary mampita. Izay no lalan-tsain’ny “Kanto Miampita”, na ny fandaharana amin’ny onjam-peo, na ny andiam-pampisehoana. Hiompana amin’ireo hira nataon’ny tarika Les Surfs indray ny andiany faharoa. Marina fa tsy namoron-kira ry Rabaraona 6 mianadahy… Mpame­rin-kira anisan’ny nanana ny lazany koa ny tarika Les Surfs, ary hatrany ivelany […]

VAOVAO TAMBATRA

Dinihina mandritra ny Africa Forward, atsy Nairobi Kenya, ny hampivondronana ireo mpisehatra rehetra mitondra fiovana aty amin’ny kaontinanta afrikana. Mandray anjara amin’ity fivoriana iraisam-pirenena ity ny delegasionina malagasy, tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, izay tonga tany an-toerana, omaly. Nivoaka omaly ny antso ho an’izay liana hitantana […]

Fim 2026 : Fahombiazana tanteraka ny hetsika

Nifarana tetsy amin’ny Centre de conférence international (CCI) Ivato, ny alahady teo, ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara na “ Foire internationale de Mada­­gascar” (Fim), andiany faha-27. Nisongadina nandritra ny efatr’andro ny fandraharahana sy ny vokatra malagasy izay nifantoka tamin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fampihaonana ireo mpisehatra. “Fahombiazana ny hetsika tamin’ity […]

MECC : Nanamafy ny paikadim-panondranam-bokatra

Nanohana ny fandraharahana sy ny vokatra malagasy ny iraka ara-toekarena sy ara-barotra “Mission économique et commerciale au Canada” (MECC) 2026. Hetsika natao tany Montréal, Kanada, ny 29 avrily ka hatramin’ny 1 mey teo. Nitarika izany ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, tamin’ ny alalan’ny talen’ny Fampiroboroboana ny fifanakalozana amin’ny any […]