Mois : mai 2026

FANTINA sy FINTINA

Nametra-pialana, omaly, ny ben’ny Tanà­nan’Antsirabe, Rasamimanana Honoré Gabriel, sy ny ekipany. Nandritra ny fananganan-tsaina no nanambarany izany, nanoloana ny mpiasa. Anisan’ny anton’ny fanapahan-kevitra ny olan’ny karaman’ny mpiasa tsy voaloa nandritra ny 13 volana. Eo koa ny momba ny fitokonan’ireo mpiasa, mitaky hatrany ny karamany. Nampandalovina tetsy amin’ny Lapan’i Tsim­ba­zaza ny […]

Minisitra Ernaivo Fanirisoa : “Voarohirohy amin’ny hala-tany i Naivo Raholidina”

Voarohirohy amin’ny fangalarana tany marobe no itorian’olona azy, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsa­rana, i Ernaivo Fanirisoa, ­ mpanao gazety, teny Anosy, omaly, taorin’ny fametrahana amin’ny toerany ireo filoham-pitsarana maromaro, ny amin’ny fanenjehana ny depiote Naivo Raholidina. Misy amin’ireo nilaza fa nangalarany tany no nisiana fikasihan-tanana. Maromaro ny olona mitory […]

Mitety tany

  Efa mahazo faka tanteraka ny fitondran’ny miaramila ny tanàna. Efa mitety vazantany sy manatrika fivoriana iraisam-pirenena maro ny Filoha sy ny ekipany. Midika izany fa tsy manana olana amin’ny sehatra iraisam-pirenena intsony i Madagasikara. Resabe sisa ny mahakasika izay sazy arangarangan’ny fikambanana iraisam-pirenena. Efa mahazo avara-patana ny Malagasy. Lavina […]

Africa Forward : Mandray anjara ny filohan’ny Fanavaozana

Nihazo an’i Kenya, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana. Anisan’ireo filoham-panjakana handray anjara amin’ny « Africa Forward » hatao any an-toerana, anio, ny tenany. “Fiaraha-miombon’antoka Afrika sy Fran­tsa ho amin’ny fanavaozana sy ny fiarovana”. Io no lohahevitry ny fihaonana an-tampon’i Afrika sy i Frantsa 2026, hatao atsy Nairobi, Ke­nya, anio. Nanainga teto an-tanindrazana, omaly, […]

Torana teny an-dalana: Lehilahy nahatrarana rongony iray sakaosy

Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, taorian’ny fampanoavana, ny lehilahy iray nahatraran’ny zandary rongony iray sakaosy teny Andoharanofotsy. Nitaingina fiara fitateram-bahoaka io lehilahy io, ny sabotsy 9 mey teo. Tsy nahatsiaro tena tampoka anefa izy ka nentin’ireo tsara sitrapo namonjy toeram-pitsaboana. Nanao ny asany ny mpitsabo ka fantatra fa tsy nahatsiaro […]