Mois : mai 2026

Fampandrosoana: Ianteherana ny angovo avy amin’ny masoandro

Vahaolana maharitra! Hafainganina ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro eto amintsika. Notanterahina ny 30 avrily teo, teto Anta­nanarivo, ny atrikasa ho fiaraha-mientana ho an’ny vahaolana ho an’ny angovo azo avy amin’ny masoandro. Fotoana niarahana tamin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny. Nasongadin’ny minisitry ny Toekarena sy ny […]

Sehatra tsy miankina : Hiakatra ny karama farany ambany

Andrasana amin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana hamerana ny karama farany ambany andraisana mpiasa (SME) ho an’ny sehatra tsy miankina. Tolona efa nataon’ny sendikan’ny mpiasa hatry ny ela. Efa vitan’ny minisiteran’ny Asa, ny fampanananasa, ary ny asam-panjakana sy hatolotra hodinihina eo amin’ny filankevitry ny mi­nisitra ny didim-panjakana fampiharana (décret d’application) […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy nahalala mialoha ny momba ny fisamborana ny depiote, Raholdina Naivo, ny filoha lefitra fahafito ao amin’ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert. Nambarany fa efa niantso ny filohan’ity Andrimpanjakana ity momba izany trangan-javatra izany izy saingy mbola tsy nahazo valiny mazava. Nilaza ho mbola tsy naharay taratasy avy amin’ny minisitry ny Fitsarana […]

Africa Corps : Manamafy ny fisiany aty Afrika

Miasa sy manamafy ny fisiany aty Afrika, amin’izao fotoana izao, ny Africa Corps, izay miankina amin’ny minisiteran’ny Fiarovana Rosianina. Anisan’ny firenena voalaza fa ahitana azy ireo koa i Ma­dagasikara, ankehitriny. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, misy ny fampitahana ny zava-misy eto an-toerana sy any Mali, izay samy entina kolonely am-perinasa. Tsiahivina fa […]

Ny teo ihany no eo!

  Hiaka-dapa, anio, indray ny mpikambana ao amin’ny fahefana mpanao lalàna, eny Tsimbazaza. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio, ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany ho an’ny solombavambahoaka. Handrasana izay ho fivoarany, fa ny iaraha-mahita aloha, mbola mijaridina tsara ilay andrimpanjakana. Tsy mihontsona amin’izay fitakiana fandrodanana azy, nataon’ny Gen Z. Raha atao indray […]