Feno ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina etsy Imahamasina, omaly. Nanamarika ny faha-30 taona an-tsehatra i Samoëla, tamin’ ny alalan’ilay seho « Hiaka-dapa ». Amin’ny ankapobeny, nanana endrika tsiahy ity fampisehoana ity. « … Asongadintsika ao mihitsy, tokoa, ilay 30 taona niarahantsika izay… », hoy i Samoëla, andro vitsy nialohan’ny fampisehoana. Avy ao anatin’ireo […]
Mois : mai 2026
DAKA AN-JORONY: Aza manao fary mitety reny
Ny hevitra tera-bary ka samy mamoaka ny ao am-pony. Na izany aza, lanjalanjaina ihany ny volana ambara fa sarotra ny mamerina azy. Manan-danja tokoa eo amin’ny fitondrana ekipa na fitantanana taranja fanatanjahantena ny teny. Misy ny azo lazaina, ao koa ny tsiambaratelo. Ka aleo tsy manao fary mitety reny. Inona […]
Fifanintsanana «Can 2027» : Ho fantatra ny vondrona misy ny Barea
Hotanterahina any Kenya, Ouganda, Tanzanie, ny 19 jona hatramin’ny 17 jolay 2027 ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny Can 2027. 19 mey ho avy izao kosa, ny antsapaka hahafantarana ny ekipa mpiray vondroka. Anisan’izany ny Barean’i Madagasikara. Nivoaka ny fanambaran’ ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra (CAF) mahakasika […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitotaly 64 500 m³ ny solika hoentin’ilay sambo Torn Elise, izay ho tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, rahampitso. Hetsika tohin’ny fanambarana nataon’ny “Groupement pétrolier de Madagascar” (GPM) tamin’ny 9 sy 11 avrily mahakasika ny famatsiana solika eto amin’ny firenena. Miantso ireo mpisehatra samihafa ihany koa ny GPM mba hamaly ny […]
Tetikasa Volobe Amont : Laharam-pahamehana ny mponina
Nizara sy nampahafantatra ny fandrosoan’ny asa ataony sy ny fanampiana entiny hanohanana ny vondrom-piarahamonina eny ifotony ny tetikasa Volobe Amont, tamin’ ny herinandro lasa. Nasongadina ny hetsika roa lehibe vitany : ny fampahafantarana ny fivoaran’ny tetikasa sy ny fanampiana ny mpiara-belona taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Voaresaka manokana nandritra ny fihaonana tamin’ […]




