Rafitra iray mampifamatotra antsika amin’ny Amerikana ny African Growth and Opportunity Act (Agoa). Antony mahatonga ny fanjakana mamolavola ny paikady amin’ny fanavaozana izany. Tanjona ny hahafahan’i Madagasikara mitazona ny tsenam-barotra amerikana izay miantoka ny seha-pihariana toy ny lamba. Nisy ny dinika stratejika natao teny amin’ny CCIA Antaninarenina niarahan’ireo mpisehatra hanokafana […]
Mois : mai 2026
Vidin-tsolika : Niakatra 200 Ar mandritra ny volana mey
Mitovy vidy tamin’ny volana febroary ny vidin-tsolika mandritra ny volana mey. Niakatra 200 Ar avokoa ny litatry ny lasantsy, gazoala ary ny solika fandrehitra. Nisondrotra 200 Ar avokoa ny litatry ny solika mandritra ny volana mey. Fiakarana nihatra nanomboka ny alin’ny sabotsy hifoha alahady. Vidina 5 100 Ar/ litatra (l) […]
TSELATRA
Rongony manodidina ny 43 gony, nodoran’ny polisim-pirenena tany Ihosy, ny marainan’ny 30 avrily 2026 lasa teo. Notanterahina teo anoloan’ny seranam-piaramanidina Ihosy izany. Marihina fa nangonina nandritra ny hetsika natao teo anelanelan’ny volana desambra 2025 sy marsa 2026 tany amin’ny toerana samihafa ao amin’ny faritra Ihorombe ireo zava-mahadomelina ireo. Olona maromaro […]
Nifandona tamin’ny fiara: Olona roa teny ambony moto niara-namoy ny ainy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina ny lalam-pirenena fahafito, afakomaly tamin’ny 9 ora maraina. Tao Mandikanamana, fokontany Antsahalava, kaominina Behenjy no nitranga ny loza. Taxi-borosy iray avy aty Antananarivo, hihazo an’Ambatolampy no nihavian’izany. Nandeha mafy izy ary nikasa hisongona ny fiara teo alohany. Tsy nijery tsara ny lalana sy ny fiara tokony […]
Vaky trano tetsy Itaosy: Roa lahy naiditra vonjimaika am-ponja
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ireo roa lahy, tompon’antoka tamin’ny vaky trano teny Itaosy, ny 24 avrily lasa teo. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy, natolotra ny fampanoavana izy ireo, ary nalefa any am-ponja. Raha tsiahivina, nisy namaky ny tokantrano iray tao Faliarivo Loharanombato, Kaominina Ambavahaditokana Itaosy ny 24 avrily. Tonga nametraka […]




