Hihazo ny faritra Analanjirofo ny mission medico-chirurgicale, hampisitraka tolotra fahasalamana maimaimpoana ho an’ny vahoaka eny an-toerana. Ao amin’ny Hopitalibe Fenoarivo Atsinanana no handraisana ny hetsika ny 5 ka hatramin’ny 7 mey ho avy izao. Tolotra ara-pahasalamana isan-karazany ahitana fandidiana Hernie, Kyste, appendicite. Fitsaboana nify, ativava sy fitsaboana maso ary fizaham-pahasalamana […]
Mois : mai 2026
Oniversiten’Antananarivo : Nomena mariboninahitra ny mpiasa
Notolorana mariboninahitra ny mpampianatra sy mpandraharaha mendrika teny Ankatso, tamin’ity herinandro ity, izay tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny oniversite teto Antananarivo. Anisan’ny karazany nomena ireo nahazo izany ny Grand croix 2ème ordre, Grand officier, officier ary Commandeur. Mpampianatra 43 sy mpandraharaha 124 no nisitraka izany, araka ny fanazavan’ny […]
Cisco Toamasina I-II: Nanomboka ny cours maimaimpoana
Nosokafan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, sy ny mpandrindran’ny fikambanana Fanjiry, izay fikambanana naorin’ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana ny “Cours maimaimpoana” ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE, BEPC ary bakalorea ao amin’ny Cisco Toamasina I sy Cisco Toamasina II, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanohanana […]
Fanelezana vaovao diso : “Manohitohina ny filaminam-bahoaka”, hoy ny polisim-pirenena
Nomarihina omaly ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. “Mpiray ombon’antoka amin’ny fitandroam-pilaminana ny mpanao gazety”, hoy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Inspecteur Général de Police Erick Michel . Nitondra ny heviny sy nizara ny traikefany mahakasika ny asa fanaovan-gazety ny polism-pirenena. Tafiditra tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny fahalalahan’ity asa ity izany. […]
Fiarovana ny tontolo iainana : Hisy hetsika manokana eto Antananarivo
Nanomboka tamin’ny sabotsy hatramin’ny 10 mey 2026 ho avy izao ny « Festival de la nature ». Hetsika karakarain’ny Festive groupe, izay tanterahina eto Antananarivo. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny hetsika. Mifantoka indrindra amin’ny fanabeazana sy fanentanana ireo tanora an-tanàn-dehibe momba ny olana sy ny tokony ny hanajana ny […]




