Mois : juin 2026

FANTINA sy FINTINA

Tsy azo enjehina ny depiote eo am-perin’ny fivoriana ara-potoana amin’izao, araka ny nambaran’ ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randria­naso­loniaiko Siteny, teny Tsimbazaza, omaly. Eny, na nisy aza ny fangatahan’ny eny anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ny fanalana ny tombon-jo parlemantera toy izay mahazo ny depiote voafidy tany Arivonimamo, Rajerison Antoine, izay hodinihina aoriana. Natao […]

Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana : “Ilaina ny politika sy ny tetikady”

“Tanjona iraisana amin’izao ny hahazoan’i Madaga­sikara miala amin’ny toe-javatra mampisy fatiantoka sy faharefoana, ka hiroso amin’ny sehatry ny fitomboana ara-toekarena sy ny fanangonana harena”. Io no nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, tamin’ny fanombohana ny famelabelarana ireo voka-pikarohan’ny Institut d’études politiques (IEP) Mada­gascar, teny Ampandrana, omaly, momba ny paikady sy vahaolana entina […]

Fantsifantsy madinidinika

  Asa re, hanao ahoana ny raharaham-pirenena ato ho ato? Misary mandeha eny ny zava-drehetra. Asa? Noho ilay fanohizan’ny Fanavaozana ny raharaham-panjakana angamba. Mandeha ny fitokanana ny zava-bita. Mitohy ny fametrahana vato fototra. Ny asa madinidinika mandeha tsimoramora. Misosasosa ilay andavanandron-dRa­malagasy. Mifanindran-dalana amin’izay anefa toa mitsingilaila ilay fanavaozana nilokalokana. Misy […]

PAC : 200 tapitrisa Ar amin’ny 560 miliara Ar ny lamandy voaray

Mahatratra 560 miliara Ar ny lamandy navoakan’ny didim-pitsaran’ny Pac, taona 2025. Nefa, tsy nisy afa-tsy 200 tapitrisa Ar no voaray. Anton’izany ny tsy fahampian’ny mpitaky vola avy amin’ny fitsarana. Izay no fantatra tamin’ny tatitry ny mpandrindra nasionalin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac), Raba­rijohn Rivonandrianina, teny amin’ny fitsarana tampony, Anosy, omaly. […]