Nisy fotoana nampiroborobo fatratra ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Nihena miandalana, anefa, izany. Nihena nanaraka io ihany koa ny lenta na ny kalitao sy ny fenitra samihafa. Ankehitriny, miandrandra vokatra tsara. Iray amin’ireo zavakanto sy kolontsaina mahasarika Malagasy maro ny sarimihetsika. Raha ny lalana nodiaviny. Efa tokony tafakatra amin’ny dingana ambony […]
Mois : juin 2026
VAOVAO TAMBATRA
Hatao ny fanadihadiana ara-tontolo iainana ny tetikasa Produir. Ny fanjakana no hiantoka ny vola hanatanterahana azy. Tsiahivina, fa natao itsinjovana amin’ ny tondradrano eny amin’ny faritra iva eto Antananarivo ity tetikasa ity. Voakasik’izany, ny fiarovana ny reniranon’Ikopa sy Sisaony, ary indrindra ny fanadiovana sy ny fanamafisana ny lakandrano Andriantany sy […]
Famokarana : Hanafatra trakitera hanatsarana ny fambolena
Nitondra fanazavana, namaly ny fanontanian’ny solombavambahoaka, ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA), Ramindo Gaëtan, ny talata 9 jona teo. Nomarihiny manokana ireo paikady lehibe, mamaritra ny politikan’ny fanjakana, entina hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra eto Madagasikara. Toy ny fanohanana mivantana ny tantsaha, amin’ny alalan’ny fanamorana ny fisitrahana masomboly […]
Haintany : Handatsaka orana ny Jirama
Hiditra ao anatin’ny vanim-potoana maintany isika. Araka ny fanazavan’ny Tale jeneraly lefitra misahana ny herinaratra (DGAE) ny Jirama, Manda Ny Aina Nomena, efa miatrika izany isika, ka nisy ny fandatsahana orana artifisialy ny alakamisy 4 sy zoma 5 jona teo. Niato kely ny sabotsy ary notohizana ny alahady 7 sy […]
Lalam-pirenena : Hotokanana rahampitso ny RN13
Vita fifanarahana tamin’ny Vondrona eoropeanina tamin’ny taona 2017 ny hamatsiany vola ny fanarenana ny lalam-pirenena RN13, ampahany eo Ambovombe hatrany Taolagnaro. Vita izany, ankehitriny, hitondra fiovana sy fampandrosoana ny faritra atsimon’ny Nosy. Mitotaly 493 km ny lalam-pirenena RN13 eo Ihosy hatrany Taolagnaro. Nanaiky hamatsy vola ny fanarenana, hatao godirao, ny […]




