Mois : juin 2026

Fanadinam-panjakana : Sazy henjana ho an’ireo mivarotra laza adina

Hentitra ny fanjakana amin’­ny fampizorana antsakany sy andavany ny fanadinam-panjakana rehetra na ny CEPE na ny BEPC na ny Bakalorea. Nampahatsiahy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa voarara ny fividianana sy fivarotana laza adina. Mahavoasazy ny fivarotana izany na mivantana na eny amin’ny tambajotran-tserasera. Araka ny didy aman-dalàna manan-kery sy ny didim-pitondrana […]

Olona varira : Diabe ho an’ny fandriampahalemana

Hanatanteraka « Diaben’ny fandriampahalemana », hanentanana ny olom-pirenena rehetra ny fikambanan’ny olona manana toe-tena varira, ny sabotsy izao. Hiainga eo amin’ny Kianjan’ny Barea, hihazo ny Kianjan’ny Hira gasy Ampefiloha, izany dia izany, hanomboka amin’ny 10 ora maraina. Hisy ny varavarana misokatra handraisana ny hevitry ny olom-pirenena rehetra momba ny fiarovana ireo olona […]

Oniversiten’Antananarivo : Nametrahana radiotélescope voalohany

Notokanana omaly, teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny radiotélescope voalohany eto Madagasikara. «Fitaovana hijerena ny kintana sy ny habakabaka ary ny zavatra rehetra eny ambony tsy taka-maso» ny ilaina ny teknolojia sy ny siansa ary ny haivao satria mampiasa algorithme sy computer (ordinatera) ny mpikaroka hikirakirana ny angon-drakotra azo rehetra. Ny oniversite […]

TARATRY ny KANTO

Hanatanteraka ny « Grande messe eny Ut mineur KV 427 » ny Ensemble Vocal Hiraitra. Sanganasan’i W.A Mozart, anisan’ny maro mpitia izy io. Indroa miantoana ny hanatontosan-dry zareo izany eny amin’ny Cathédrale Saint Laurent Ambohimanoro. Ny zoma 3 jolay, amin’ny 7 ora hariva sy ny alahady 5 jolay, amin’ny 3 ora tolakandro. […]

“Tiakaly Food Festival”: Andiany fahatelo ny hetsika

Hotanterahina ny 29 sy ny 30 aogositra ho avy izao, eny amin’ny Rayim Building na Sodiama Ankorondrano, ny andiany fahatelo amin’ny “Tiakaly Food Festival” (TFF). Hetsika iarahan’ny Okalou sy Rakotondrainitomaho Johary Tsiory, fantatry ny maro amin’ny hoe Tiakaly, misalahy. Nambaran’i Tiakaly fa natao izao mba hahafahan’ireo mpankafy sakafo miaraka sy […]