Toamasina : Valo lahy voasambotra

Nosamborin’ny zandary ny lehilahy miisa valo voasaringotra amin’ny halatra vy ao Toamasina, afakomaly. Naha­ray loharanom-baovao momba ny fisiana andian’olona mikasa hangalatra vy tao amin’ny dépôt ao Betainomby, kaominina Toamasina II, ny mpitandro filaminana, ny 24 aogositra lasa teo. Nanao vela-pandrika ny ekipan’ny zandary ka niatrana tamin’ny toerana voatondro. Sarona nandritra io fotoana io ny fiara sprinter iray nokasain’ireo mpangalatra hitaterana ny vy. Tsy nahavita nampiditra ny entana akory, noraisim-potsiny ireo mpanao ratsy. Olona miisa valo voasambotra. Ahina ho tambajotra iray mpangalatra vy ao Toamasina izy ireo. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara. Nogiazana ny vy nangalarina ary notanana atao fa­motorana izy valo lahy. Hato­lotra fampanoavana aorian’ izay. Tsiahivina fa niteraka savorovo tamin’ny mponina ao Toamasina ny fisiana tranga halatra vy izay niseholany nanomboka ny fiatom­bohan’ity volana aogositra ity. Tsy mifidy hangalarina ireo mpanao ratsy fa ravain’izy ireo hatramin’ny andrin-jiro vita amin’ny «béton» tsy mi­asa, hangalany ny vy ao anatiny.

Tsiferana R.

Partager sur: