Fiaraha-miasa iraisam-pirenena: mitaky ny fitokisan’ny vahoaka ny mpitondra ny OGP

Hitohy anio, etsy Ankerana, ny atrikasa handrafetana ny drafitrasa nasionaly momba ny fiaraha-miombon’antoka ho an’ny governemanta (OGP). Mitaky fepetra maromaro ny fanatanterahana izany.

Nasongadin’ny minisitra misahana ny Fanavao­zana, ny Me Razafima­nantsoa Hanitra, ny maha zava-dehibe ny fifanarahana ara-moraly amin’ny famere­nana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitantanana. Nian­tsony ny tsirairay izany mba hifanome tanana amin’ny fanatanterahana azy.
Nambaran’ny masoivohon’ i Alemana, i Oliver Knoerich, kosa fa dingana vaovao sy manan-danja ho an’i Madaga­sikara ny fanomanana. Nana­mafy ny fahavononany ity firenena ity, amin’ny alalan’ny GIZ, hanohana amin’ny firosoan’i Madagasikara ho mpikambana ao amin’ny OGP. Nosoniavina tamin’izao atrikasa izao koa ny fifanarahana fiaraha-miasa ho fanomanana ny Drafitra nasionaly, dingana lehibe mba hahafahan’i Mada­gasikara miditra ao amin’ny OGP amin’ny taona 2027.

Fitantanana mangarahara

Anisan’ny hifantohan’ny atrikasa ny amin’ny fahazoana antontan-kevitra, ny fangaraharan’ny fitantanana, ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena. Eo koa ny mangarahara sy tomponandraikitra, ho fa­merenana ny fitokisan’ny vahoaka. Miandraikitra ny fitarihana sy fandrindrana ny dingana amin’izany ny eo anivon’ ny minisiteran’ny Fanavao­zana, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny dinam-pitondrantena sy tandrohasin’ ny asam-bahoaka (DPMEP).
Tsiahivina fa 9/16 ny naotin’ i Madagasikara amin’izao fotoana izao, raha 12/16 kosa no fetrisa takina. Efa voafaritra ireo sehatra mbola mila hamafisina, ka anjaran’ireo minisitera voakasika ny mandray ireo fepetra ilaina hamenoana izany elanelana isa telo izany.
Antony hanatanterahana ny fihaonambe sy izao atrikasa izao izany. Tanjona ny hampiroborobo ny mangarahara, ny ady amin’ny kolikoly, ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena ary ny fandraisana an­draikitra eo amin’ny fitantanandraharaham-panjakana.

Synèse R.

Partager sur: