Kitra – D2 Nasionaly : Mitarika vonjimaika ny GNFC 

Notontosaina tetsy amin’ny Kianja Synthétique Betongolo ny andro fahavalon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa, nasionaly. Nisongadina indray ny ekipan’Analamanga, Disciples FC Espoir,  tamin’ity. Nomontsanin’izy ireo, tamin’ny isa 6 no ho 2, ny mpilalaon’i Manakara. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, ny mpilalaon’ny Zanagasy no nitarika 1 no ho 0 vao iray minitra nanombohan’ny lalao. Efa tany amin’ny fahafolo minitra vao nahasahala ny isa, i Regino, lohalaharan’ny Disciples Ana­lamanga. Taitra tamin’ny torimasony ny mpilalao an’ Analamanga ka nanomboka nampiseho ny haavo teknika sy ny fahaiza-miaraka. Vokany, mora ho azy ireo ny naka ny fandresena 6 no ho 2 tamin’ity fifanandrinana ity. Mitana ny laharana fahatelo izany, hatreto, ny Disciples Analamanga, manana isa 16. Mbola mihazona ny laharana voalohany hatrany kosa ny GNFC. Resin’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2, ny FC 2A CFT 3FY Plus. Manana isa 24 ry zareo izao. Tsiahivina fa raha tsy misy ny fiovana dia ireo roa voalohany amin’ity no hiakatra “Pro League”.

Fitia Randria

Partager sur: