Hotontosaina anio sy rahampitso, atsy Nairobi, Kenya, ny fifaninanana afrikanina amin’ny taranja rugby lalaovin’olona fito, sokajy vehivavy, “Africa Women’s Sevens 2026”. Raha ny fandaharan-dalao, hanokatra ny sehatra voalohany ny ekipam-pirenena malagasy, Makis Ladies. Hifanandrina amin’izy ireo voalohany ny ekipa nasionalin’i Maurice. Aorian’izay, hidona amin’i Burkina Faso. Hamarana ny lalao isam-bondrona ho an’ny Malagasy ny fifandonana amin’i Ouganda. Tsy maintsy hanao valin’ady amin’i Ouganda ny Makis, anio. Raha tsiahivina, ry zareo Ogande no nanintsana ny Makis Ladies teo amin’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natao tany Kenya, ny taona 2025. Tsara ny mampahatsiahy fa ao amin’ny vondrona “C” no misy ny Malagasy. Hanana ny lanjany ity fifanintsanana ity satria izay ekipa roa tafakatra famaranana no hiatrika ny fihaonana maneran-tany “World Seven’s 3”, diviziona fahatelo, amin’ny taona 2027.
Fitia Randria
1-Manampisoa Dapese (RCTS)
2-Volatiana (FTFA)
3-Halavao Olivine (Toliara)
4-Harimalala Zaina (UASC)
5-Mendrika (UASC)
6-Felana (FTM)
7-Mirasoa Fenohasina (FTFA)
8-Faratiana Lidia (FTM)
9-Veronique (RCTS)
10-Bakara Djahsimine (UASC)
11-Sarindra (FTFA)
12-Mialy Tiana (FTFA)
Mpanazatra : Eric Sefo.





