FANTINA sy FINTINA

Mpomba ny filoha teo aloha sy ny forongony ny 90 % amin’’ireo manodidina an’i Kly Randrianirina Michaël, raha ny nambaran’ny filohan’ny vovonana Tafita, Andriamiseza Alain. « Sarotra ny hisian’ny tena fanovana araka ny fitakian’ny vahoaka teny an-kianja », hoy izy. Nambarany fa anisan’ny nanome vola ireo Capsat koa izy ireo tamin’ny tolona.
Nodimandry, omaly, ny mpikambana Tim sady mpanao gazety, Faniry Razafimanantany. Avy any Toamasina nanara-dia ny filoham-panjakana ary efa tonga teto Antananarivo ny tenany izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. Anisan’ireo mpikambana teo anivon’ny komity miaro ny tolona (KMT) izy ary nanentana fandaharana maromaro…
Tsy fifanarahana politika na fampihavanam-pirenena no hatao, araka ny nambaran’ny minisi-panjakana, Razafimanantsoa Hanitra, tetsy Mahamasina, ny herinandro teo. « Hijerena ny olana tsy nampandroso ny firenena ny fikaonandoha hatao. Tsy fifanarahana politika na fizarana seza intsony izao », hoy izy.
Mbola filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent. Tsy nisy tohiny ny resabe nikasana hanongana azy eo amin’izany toerana izany. Niverina nisokatra ny vavahady rehefa nikatona ny herinandro teo. Nambaran’ny loharanom-baovao fa nilamina ny toe-draharaha ary mijanona amin’ny toerany ny filoha. Tsy mbola fantatra anefa ny mety ho tohiny.

Partager sur: