Vonona hanohana ny fikaonandoham-pirenena ny Vondrona afrikanina (UA), araka ny nambaran’ny lehiben’ny iraka, Mohamed Idriss Farah. Noraisin’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo izy ireo, omaly. Niaiky ny roa tonta fa ilaina ny fitoniana eto amin’ny firenena. Hanampy amin’ny fifidianana koa ny UA.
Nivoaka amin’ny fahanginany ny mpanorina ny antoko Fy-M, Raderanirina Sendrason. Nambarany fa tsy Tetezamita fotsiny ny Fanavaozana. « Dingana masina ho an’ny fiandrianam-pirenena izany. Fihemorana amin’ny fampiharana ny demokrasia ny fampiatoana ny Lalàmpanorenana sy ny fandravana ireo Andrimpanjakana », hoy izy.
Tsy maintsy miato ny Lalàmpanorenana sy ny Andrimpanjakana raha hiditra amin’ny Tondrozotra isika, araka ny nambaran’ny filohan’ny Tsaratahafina, Paraina Auguste. Nohitsiny fa miaro mafy ny sezany ireo mampatahotra ny fahatapahan’ny famatsiam-bola. « Tsy maintsy hisy rafitra mpanao lalàna eo ka hisy olom-boafidy ho very toerana », hoy izy.
Hitohy any Fianarantsoa indray ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2026 iarahana amin’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc. Hotanterahina rahampitso izany. Hiainga eo amin’ny Magro Ampasambazaha ny diabe hataon’izy ireo ary hifarana eo Betaravola, toerana hanaovana izany lanonana izany.




