Mihazakazaka ny fahatongavan’ny fikambanana iraisam-pirenena manohana ny fametrahana ny fanavaozana. Taorian’ny Sadc, namita iraka eto Madagaiskara ihany koa ny Vondrona afrikanina.
Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo ny delegasiona avy amin’ny Vondrona afrikanina, notarihin’i Mohamed Idriss Farah. Nisongadina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fahavononana hanohana ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena izay handraisan’ny rehetra anjara. Voaresaka ihany koa ny fanohanana ny fanomanana ny fifidianana hatao eto Madagasikara tamin’ny taona 2027, izay hirosoana amin’ny fanavaozana ny Repoblika rahateo.
Nambaran’ny Praiminisitra fa misokatra amin’ny fifandraisana ara-diplaomatika i Madagasikara, ankehitriny. Ao anatin’ny fikatsahana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena izany, amin’ny fikatsahana ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy. Eo koa ny fitondrana ho amin’ny fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena. Tsy nafenina, nasongadin’ny delegasionina avy amin’ny Vondrona afrikanina ny asa tsara nirosoana sy vitan’ny fitondram-panjakana manontolo tao anatin’ny telo volana nitondrana ny fanavaozana.
R. Nd.




