Fiatrehana ny raharaham-pirenena: Haneho ny heriny sy ny heviny ny Avi

Mbola eo hatrany. Maka bahana ho amin’ny fihaonambe ny eo anivon’ny antoko ny Asa vita ifampitsarana-Avi. Maherin’ny 1 000 ireo mpikambana hiatrika izany, eny amin’ny CCI Ivato, ny 20 fe­broary izao. Ahitana olom-boafidy tamin’ny anaran’ny antoko, toy ny depiote, ben’ny Tanàna ary mpanolotsain’ny kaominina, izy ireo. Nam­ba­ran’ny filoha nasionaly, ny solombavambahoaka, Andria­miharivolamena Zavamanitra, fa hatao indrindra izao fihaonambe izao hanamafisana ny firaisankina sy ny fandraisan’ andraikitry ny olom-boafidy
ao amin’ity antoko, naorin-dRatsirahonana Norbert Lala, ity. « Hiresahana ny toe-draharaham-pirenena ka hametrahana fanamby ara-toeka­rena, ara-tsosialy ary ara-pitantanana maro », hoy izy. Nan­teriny fa kendrena koa ny hampahafantarana sy hanentanana ireo olom-boafidy ha­nentana eny ifotony mba hanaraka ny làlam-piheverana sy ny paikadin’ny antoko, ma­noloana ny zava-misy ankehitriny, eto amin’ny firenena.
Natsidiny koa fa haseho amin’ny fomba ofisialy amin’io fotoana io ny fandaharana­san’ny antoko, araka ny lohahevitra « Madagasikara mio­rina amin’ny harem-pireneny ». Notsindriny fa anjara birikiny lehibe amin’ny fanarenana sy fanavaozana ny firenena ary amin’ny fampandrosoana ara-toekarena izany. « Mane­ho ny vina hananganana fampandrosoana maharitra mifototra amin’ny fanajariana sy fanomezan-danja ny harem-pirenena ary amin’ny fanamafi­sana ny fahaleovantena ara-toekarena », hoy ihany izy.
Notsiahiviny fa refesina amin’ny isan’ireo olom-boafidy ananany, ny herin’ny antoko politika iray. Eo koa ny fahavitrihana sy ny fandraisan’anjaran’ireo mpikambana. Miasa tsy an-kijanona amin’ny fanamafisana izany ny antoko, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: