Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tetsy By Pass, ny herinandro teo, ny eo anivon’ny Holafitry ny vadintany.
Nambaran’ny birao mpitantana fa efa miezaka ny fitsarana ny amin’ny tokony hataony hiarovana ny vadintany eo am-panatanterahana ny asany. Voatsiahy, tamin’izany, fa efa voalazan’ ny sata mifehy ny fiarovana azy ireo izany, miainga amin’ ny didim-pitsarana. « Matetika ahitana olana io sehatra io ka tonga hatrany amin’ny fanenjehana ny vadintany. Na izany aza, efa hitanay fa mihatsara ny fampiharana ny lalàna momba anay », hoy ihany izy ireo. Niezaka nanamora ny asa ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny eo anivon’ny fampanoavana amin’ny fanatanterahana ny didim-pitsarana. Heverina fa hilamina hatrany izany, araka ny nambaran’izy ireo.
Etsy andaniny, niaiky izy ireo fa nihena ny isan’ny vadintany. Tsy nisy intsony koa ny fifaninanana na manenika ny tribonaly miisa enina aza izy ireo. « Miisa 143 izahay ary tsy maharaka hatrany ambanivohitra… », hoy ireto avy amin’ ny vadintany ireto. Hetahetan’ izy ireo ny tokony handraisana vadintany indray manomboka izao.
Tsiahivina fa nahatonga solontena avokoa ireo vadintany manerana ny Nosy, tamin’izao fihaonana sy fifampiarahabana noho ny taona vaovao izao.
Synèse R.




