Depiote Rakotoniaina Pety : “Fitadiavan-tseza ny fandravana andrimpanjakana”

Nisy ny fitakiana nataon’ireo mpanao politika sasany handravana ny andrimpanjakana mijoro. Fitadiavan-tseza ny azy ireo, araka ny fanehoan-kevitry ny depiote Rakotoniaina Pety, voafidy tao Ikalamavony.

“Mahandrasa fifidianana. Ny ankamaroan’ireo olona ao amin’ireo antoko politika miisa 103 mitaky ny handravana an’ ireo andrimpanjakana rehetra ireo dia fantatry ny rehetra”. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, manoloana ny fitakiana ny handravana ny andrimpanjakana rehetra misy. Mitady hatao ho mpikamban’ny Kongresin’ny Tetezamita (CT) sy Filankevitra ambonin’ny Tetezamita (CST) toy ny tamin’ny krizy politika 2009 izy ireo. Izay no mba nahazoana seza. Tsy mba voafidy amin’ny fifidianana ny ankamaroany. Aleo tsy mandainga: ma­nandra-tena hoe ny tena ihany no tia tanindrazana. Satria, hoe tsy ho tanteraka ny fanavaozana, raha tsy misy azy ireo eo amin’ny fitondrana. Efa nahazo seza CT sy CST izy ireo, nefa izao no mahazo ny firenena.
Noho izany, tsy vahaolana ny fandravana ny andrimpanjakana rehetra. Efa natao izany tamin’ny 2009, nefa mbola niverina ihany ny krizy tamin’ny 2018, 2023, 2025. Tsy mitombina ny filazan’ireo antoko politika hoe tsy ho tanteraka ny fanovana na ny fanavaozana eritreretina hatao eto amin’ny firenena, raha tsy ravana ny andrimpanjakana rehetra. Raha jerena ny tantara, tsy tokony hotenenina izany. Noravana ny andrimpanjakana rehetra tamin’ny 2009, nefa mbola izao no mahazo ny firenena: misy hatrany ny krizy miverina. Ny tena marina: mitady seza izy ireo. Dia mandainga sy mitady fomba hanamarinana an’izay.

R. Nd.

Partager sur: