“Tokony hisy fepetra ara-dalàna iray faritan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny amin’ny faharetan’ny fitondrana amin’izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse, omaly, ny amin’ny fihaonana tamin’ny iraky ny Vondrona afrikanina. Roa volana ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika. Efa mivoaka ny lalàmpanorenana ny ivelan’izay. Noho izany, tsy maintsy misy vondron’olona na rafi-panjakana iray maka hevitra amin’ny HCC. Mety ato ho ato izay. Tsaratsara kokoa raha ny Praiminisitra no hanao izay, hamoahan’ny HCC ny faharetan’ny fitondrana.
Amin’izao, inona ny andrimpanjakan’ny Tetezamita? Manomboka eo amin’ny fanapahan’ny fikaonandoham-pirenena no manomboka ny Tetezamita. Mbola ny lalàmpanorenana sy ny rafi-panjakana teo aloha no iasana amin’izao. Ny filohan’ny Repoblika ihany no niova. Ny fikaonandoham-pirenena no manapaka izay ho mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka ary ny fahefana mpitsara, indrindra izay ho mpitsara ny fifidianana. Hajanona eo ihany ve, ohatra, ny HCC ka hisy fitsarana manokana momba ny fifidianana sa ny amin’izao ihany no hitsara ny fifidianana? Adihevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izay.
Manana ny heviny ny eo amin’ny fitondrana, ny mpanohitra, ny fiarahamonina sivily… Izay no mahatsara ny hoe amin’ny fikaonandoham-pirenena no hanapahana ny hevitra rehetra, ary mandray anjara avokoa ny hery velona rehetra. Manana ny fanapahan-keviny ny vahoaka malagasy. Taratry ny fiandrianam-pirenena ny fikaonandoha, tsy manilika ary tsy miandany amin’ny fanapahana ny fe-potoan’ny Tetezamita.
R. Nd.




