Nisy ny fanazavana nentin’izy ireo ho an’ny mpiray tanindrazana, afakomaly, teny Antanimena. Nanamafy izy ireo fa tsy mbola ilay tena fanavaozana no misy ankehitriny. Mangataka ny hanatanterahan’ny filoham-panjakana ny teny nataony ny 11 oktobra 2025 izy ireo. “Miandry ny fandravana tanteraka ireo andrimpanjakana misy izahay, toy ny Antenimierampirenena, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny Vaomiera mahaleo tena mikarakara fifidianana. Efa lany daty izao ny Antenimierandoholona koa manantena ny fanoloana azy ireo izahay”, hoy izy ireo.
Mangataka rafitra manokana mba hametrahana azy ireo ny mpikambana. Mitaky ny mba haha-50 % ny tanora anatin’ny rafitra mpanapa-kevitra. “Diso ny filazana fa tsy mahazaka izany ny tanora. Hanolotra olona any anaty governemanta izahay, ohatra, dia tsy maintsy tanora mpikambana no ao. Tsy hanolotra olona ivelan’ny vondrona ihany koa na iza na iza mitady ny fiaraha-miasa aminay”, hoy izy ireo.
Manao antso avo amin’ny kolonely Randrianirina Michaël, filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika izy ireo. Efa misy ny fangatahana fihaonana eny an-dapa satria nipetraka ho mpanara-maso sy mpanao tombana ihany koa ny vondrona.
r.r




