Maromaro ireo fitsidihana sy fihaonana nataon’ny iraky ny sehatra iraisam-pirenena, ny herinandro teo, ho amin’ny fikaroham-bahaolana. Naneho ny heviny momba izany ny avy amin’ny Irmar.
Naneho ny heviny ny filoha lefitry ny mpanohitra eny amin’ny Antenimierampirenena, ny depiote Milavonjy Philobert, avy amin’ny vondrona Irmar. Nambarany fa hisy fiantraikany sy dikany lehibe amin’ny firosoana amin’ ny fanohizana ny fandaminana ny fiainam-pirenena ireny fandalovan’ny iraka iraisam-pirenena teto amintsika ireny. Nosinganiny manokana ny avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA), notarihin’i Mohamed Idriss Farah. Namangy sy nitsidika ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard, sy ny depiote/minisitra teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle, teny amin’ny fonja ihazonana azy ireo vonjimaika, ny herinandro teo, ity iraka ity. Nandray sy nihaino ny fanazavan’ireto mpanao politika any am-ponja ireto izy tamin’izany. « Fanenjehana ara-politika ny tena anton’ireny fihazonana am-ponja ireny », hoy ny depiote Milavonjy Philobert.
Zava-bitan’ny filoha Rajoelina
Nanteriny fa manaraka ny tena zava-misy marina eto Madagasikara ny UA sy ny Sadc ka nilazany fa ny fanarahana ny fepetra, takin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ihany no hany ahafahana miroso mankany amin’ ny fifidianana malalaka sy eken’ny rehetra.
Nohitsin’ity lehiben’ny mpanohitra ity koa fa mbola ny zava-bitan’ny filoha Rajoelina avokoa izao tokanan’ ny filohan’ny Fanavaozana izao. « Midika izany fa manohy ny ezaka sy ny asa nataon’ny teo aloha ny mpitondra. Tsy zava-baovao izany fa fitohizan’ny fitantanan-draharaha aminay. Tena misy ny fotodrafitrasa vitan’ny teo aloha », hoy izy.
Synèse R.




