Nandray ny ambasadaoro izay iraka manokana eto Madagasikara, i Mohamed Idriss Farah, ny filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), i Mahmoud Ali Youssouf, omaly, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, eny Anosy. Nitondra fanazavana ny amin’ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara, amin’izao, tamin’ny filohan’ny Vaomieran’ny UA ny ambasadaoro. Nanantitrantitra ny fahavononan’ny tomponandraiki-panjakana eto Madagasikara hizotra amin’ny fifampidinihana politika sy azo itokisana, miaraka amin’ny fifampidinihana malalaka amin’izao fotoana izao. Nasiany teny koa ny tondro ara-toekarena izay mampahery tato anatin’ny telo volana nitantanan’ny fitondram-panjakana amin’izao. Soso-kevitra narosony ny hananganana vondrona ifandraisana amin’ny andrimpanjakana eto Madagasikara.
Nankasitrahin’ny filohan’ ny Vaomieram-pirenena UA izay fifandraisana izay, ary nohamafisin’ny UA ny fomba fiasa sy ny fivoarana politika eo anivon’ny vondrona. Miompana amin’ny fanajana ny vahaolana tarihina sy aroson’ ny Malagasy izany, miaraka amin’ny UA izay manohana sy manome tantsoroka ny firenena. Amin’ny alalan’ny diplaomasia fisorohana mialoha sy ny fanelanelanana ho amin’ ny fiverenana tanteraka amin’ ny lamina araka ny lalàmpanorenana. Eo koa ny fanohanana ny fiaraha-miasa maharitra avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana, hanohanana ny fitoniana ara-toekarena sy ny fampandrosoana.
Na eo aza izany rehetra izany, mitoetra mandrakariva ny sazy fampiatoana ny maha mpikambana an’i Madagasikara eo anivon’ny UA, mandra-pahavita ny fifidianana.
R. Nd.




