Nilaza ny antony nitondrany basy ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël, tamin’ny fidinana ifotony nataony. Nambarany, tamin’izany, fa nandeha tany amin’ny faritra mena izy ireo, toy ny tany Soalala sy Besalampy. « Iray ihany ny angidimby azo nentina noho ny fitsitsiana, mpiambina iray ihany no zaka ka tsy maintsy nitondra basy », hoy izy.
Nanitrikitrika ny talen’ny serasera eo anivon’ ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Rolly Mercia, ary nanontany. Naninona ny Vondrona afrikanina sy ny Sadc tsy mba namangy azy. « Nigadra nandritra ny dimy taona aho ary nivandravandra be izao fa gadra politika koa aho ary tsy nisy heloka nataoko nefa tsy mba hita ny sehatra iraisam-pirenena », hoy izy.
Mitaky fotoana ny fanavaozana lalina, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël, raha nihaona tamin’ireo mpianatry ny Oniversite Mahajanga. Nambarany fa tsy ho tanteraka ao anatin’ny roa na telo taona izany. « Aoka isika mpianatra ho tomponandraikitra, ho mailo ary ho matotra hiarovana ny hasin’ny tolona », hoy izy.
Nandray ny iraky ny ONU misahana ny fifidianana, i Simon Pierre, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, omaly, teny Faravohitra. Nambaran’ny mpanorina ny Tim fa ilaina ny hevitry ny rehetra. Nanteriny fa mpikambana ao amin’ny ONU i Madagasikara ka tsy afa-miala amin’ny iraisam-pirenena. « Anjarantsika ny miezaka mba tsy hiankinandoha », hoy izy.




