Hetahetan’ny eny ifotony : Haverina eny amin’ny kaominina ny volany

Nanatanteraka atrikasa niaraka tamin’ireo tomponandraiki-panjakana rehetra any amin’ny faritra Atsinanana ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama. Nivoitra tamin’izany ny olana sy ny hetahetan’ny vahoaka any an-toerana.

Nihaino mivantana izany hetaheta rehetra izany ny lehiben’ny governemanta sy ireo delegasionina niaraka taminy. Anisan’izany ny mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta.
Anisan’ny noresahina, ohatra, ireo dingana hamahana ny olana rehetra sedrain’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Ny tokony hanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa mahomby eo amin’ny samy tomponandraikitra. Nodinihina ihany koa ny fitakiana ilaina amin’ny fampandehanana ny fiainan’ny mponina eo anivon’ny faritra. Tafiditra ao anatin’izany ireo hetsika eo amin’ny lafiny toekarena tantanin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana sy ny famerenana amin’ny kaominina sy ny faritra ny ampahan’ny vola mi­ditra azo eny ifotony. Ho fanohanana mivantana ny fampandrosoana, miainga hatreny amin’ny ambaratonga farany izany. «Tanjona lehibe ny ha­nomezana lanja ny fitantanana mahaleo tena sy mangarahara ao anatin’ny soatoavin’ny fifanajana, ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana », hoy ny praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, tamin’izany.
Fivangongoan’ny vola sy fahefana

Efa nisy ny fihaonana ma­nokana niresahana momba ny fandrindrana ny filaminana sy ny fandriampahalemana any Toamasina. Niarahan’ny lehiben’ny governemanta tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny rafitra iraisan’ny fandrindrana sy famolavolana ny fandriampahalemana ho an’ny faritra Atsinanana izany.
Tsiahivina fa anisan’ny efa voizin’ireo antoko politika sasany ho entina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny hanomezana sy hamerenana ny ampahan’ny vola betsaka eny ifotony. Anisan’izany ny fokontany sy ny kaominina ary koa eny anivon’ny faritra. Mba tsy hivangongo aty amin’ny fanjakana foibe, tahaka ny nifandimbiasan’ny mpitondra hatramin’izay ny vola sy ny fahefana, araka ny tolokevitr’izy ireo momba ny fitsinjaram-pahefana tena izy.

Synèse R.

Partager sur: