Manaraka akaiky ny toe-draharaha iraisam-pirenena ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga. Nambaran’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo, fa mifaninana amin’ny fanamafisana ny hery ara-tafika ny firenena matanjaka ho fiarovany ny tombontsoany. Tsy afa-miala amin’ny mety ho fiantraikan’izany i Madagasikara na tsy mandray anjara mivantana aza, araka ny nambarany. « Mila mamakafaka sy mametraka paikady diplaomatika matanjaka isika Malagasy ho tombontsoan’ny firenena », hoy izy.
Nanteriny fa mety hihena ny vola ho an’ny fampandrosoana sy ny fanampiana iraisam-pirenena manoloana izany fifaninanana eo amin’ireo firenena matanjakana izany. Mety hampiakatra ny vidin’ny entana sy ny akora fototra izany. « Hamparefo ny tokantrano sahirana izany ary ahina hisy fijanonany koa ireo laharam-pahamehana sasany », hoy izy. Anisan’izany ny ady amin’ny fahantrana, ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny maha olona. Notsindriny fa hihasarotra ny hitazonana ny politikan’ny tsy fitanilana noho ny tsindry ara-jeopolitika ataon’ireo firenena matanjaka. Ho sarotra koa izany eo amin’ny diplaomasia sy ny lafiny fiarovana.
Tsiahivina fa nanolotra efitranon-tsekoly ho an’ny EPP ao amin’ny fokontany Ambohijatovo, kaominina Ankadinandriana, niaraka amin’ny vehivavy MMM ny filoha nasionaly mivady, ny herinandro teo. Nijaly an-taonany maro noho ny tsy fahampian’ny efitrano ity sekoly ity ka nitondra ny anjara biriky ho amin’ny fananganana izany fotodrafitrasa izany izy ireo.
Nifanome toky ny rehetra tamin’ny lahateny nifandimbiasana fa mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miasa ho an’ny soa iombonana sy ho an’ny hoavin’ny taranaka.
Synèse R.




