Hampodiana sy hotsarain’ny Fitsarana malagasy ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy aorian’ ny dingana sy ny raharaham-pitsarana ary ny fanadihadiana ataon-dry zareo maorisianina. Anisan’ny nivoitra izany tamin’ny fitsidihan’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, ny atsy amin’ny Nosy Maorisy.
Andrasana ny hanetsehana ny tohin’ireo fitoriana sy dosie maro momba ireo mpitondra fanjakana ambony, araka ny nambaran’ny birao politikan’ny MMM, Ratavilahy Andry.
« Manaitra ny sain’ny mpitondra ny Fanavaozana izahay ny amin’ny raharaha momba ny filoha teo aloha, Rajoelina sy ny Praiminisitra teo aloha, Ntsay Christian », hoy izy.
Voatendry ireo talem-paritry ny minisiteram-panjakana misahana ny Fanavaozana ho an’ny any Matsiatra Ambony, Diana, Analamanga, Vakinankaratra. Nivoitra tamin’izany koa fa hampiasain’ity minisitera ity ireo fiaram-panjakana amin’ny minisitera hafa, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha.
Nirarakompana ny fanendrena sefo distrika tamin’ny filankevitry ny minisitra. Anisan’ny nosoloina ny lehiben’ny distrikan’i Mananara Avaratra, Fenoarivobe, Antalaha, Lalangina ary Befotaka. Voatendry koa ny prefet vaovao ho an’ny any Maintirano sy Farafangana.




