Fanavaozana : Manohana an’i Madagasikara ny Britanika

Nanamafy ny firenena britanika fa manohana an’i Ma­dagasikara amin’ny fanovana tanteraka. Tsapan’izy ireo fa firenena manana ireo harena rehetra i Madaga­sikara, nefa robain’ireo olom-bitsy. Izay no anisan’ny nisongadina tamin’ ny fihaonan’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tamin’ny ambasadaoro brita­nika, i Paul Brummell, monina sy miasa atsy Maorisy, tatsy Port Louis, Maorisy, ny faran’ ny herinadro teo. Nodinihin’ny roa tonta tamin’izany ny fiaraha-miasa ho amin’ny tombon­tsoan’ny vahoaka malagasy. Tohanon-dry zareo feno ny politika apetraky ny minisitry ny Fitsarana malagasy. Eo ny hahazoana mampiditra eo anivon’ny “Satan’i Rome” amin’ ny Fitsarana ady heloka iraisam-pirenena ny fanagiazana fanjakana (sapture d’Etat) ? Eo indrindra koa ny adin’i Mada­gasikara amin’ireo tsimatimanota sy ny ady amin’ny kolikoly. Zava-dehibe ao amin’ izany ny fanohanana eo amin’ ny fampiofanana momba fikarohana sy amin’ny teknolojia ary ny seha-pitsarana. Araka izany, nanamafy ny fanohanan-dry zareo tanteraka ny fitondram-panjakana sy ny fi­tsarana malagasy ny firenena britanika. Eo ny fahavononana hanohy ny fiaraha-miasa, in­drindra eo amin’ny sehatry ny fampiofanana sy ny fikaro­hana ary ny fanohanana ara-teknolojia eo anivon’ny rafi-pitsarana.
Tetsy andaniny, naneho fankasitrahana feno ny fire­nena ny minisitra ny Fitsarana noho izay fanohanana mavi­trika ny fitsarana malagasy izay. Nohamafisiny fa hatra­min’ny nijoroan’ny fitondrana malagasy amin’izao, efa teo anilan’ny fitsarana malagasy hatrany ny firenena britanika ary mbola manohy izany fa­nohanana izany. Ny dian’ny delegasionina malagasy tany an-toerana no tanteraka, teo ny fanohanan-dry zareo.

R. Nd.

Partager sur: