«Ny lalàmpanorenana no nametraka ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, fa tsy araka ny fivoizana ny raharaha etsy sy eroa», hoy ny depiote Randrianasolo Nicolas. Niantso ny Filoham-panjakana mba ho mailo ity depiote voafidy tao Betroka ity. Nisarika ny sain’ny rehetra koa izy mba hiray hina ka hanampy ny fitondram-panjakana, hahafahana mitady vahaolana hitondrana ny firenena. Miezaka ny fitondrana hamaly ny notakina teny an-kianja, raha ny nambarany. «Tsy natao hamaha olana zato isan-jato ity fitondrana ity fa hiampita fotsiny ihany any amin’ny Repoblika fahadimy. Na izany aza anefa, tao anatin’izay telo volana izay, nisy tamin’ireo fitakiana natao teny an-kianja no efa novahan’ny fanjakana», hoy hatrany ny depiote Nicolas.
Nitondra valin-kafatra manameloka ny fandraisana ofisialy nataon’ny mpanjakan’i Eswatini ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, ihany koa izy. Nambarany fa fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena malagasy izany sady faniratsirana ireo niharam-boina nandritra ny tolona nataon’ny tanora ho amin’ny fanavaozana, ny septambra 2025 lasa teo. «Efa tsy filoham-pirenena intsony, koa maninona no manao fihetsika toy ireny? Fandikan-dalàna izao ataon’ny filoha teo aloha izao ary raisina ho mpiray tsikombakomba aminy koa ny fanjakana ao Eswatini satria tany tan-dalàna i Madagasikara. Efa nanala ny zom-pirenena maha malagasy azy rahateo koa ny filoha Rajoelina», hoy izy.
Jean Claude




