Fivondronamben’ny eveka : “Mila asa mivaingana ny fanampiana traboina”

Voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny Faritra Atsinanana. Miantso fanampiana ny Fivondronam­ben’ny eveka eto Madagasikara. Tsy anaovan-teny fotsiny, fa asa mivaingana hita maso…

“Ny fotoana toy izao indrindra no ifanohanana sy tsy anaovan-teny fotsiny, fa anaovana asa mivaingana hita maso hiaraha-mizaka izay manjo amim-pitiavana. Izany firaisankina izany àry no anentananay eveka raiamandrenin­tsika mpino katolika manerana ny Nosy”. Io ny hafatra avy amin’ireo eveka raiaman­dreny, nampitain’ny sekretera jeneralin’ny Fivondronamben’ ny eveka eto Madagasikara, ny evekan’ny diosezin’i Miari­narivo, ny Mgr Rakotoarisoa Jean-Claude, omaly, manoloana ny voim-pirenena noho ny fandalovan’ny rivodoza Gezani.
Tsy takona afenina amin’ ny rehetra ny zava-niseho sy ny voka-dratsy navelan’ny rivodoza Gezani, ka naha tra-boina an’ireo havantsika any amin’ny Faritra Atsinanana, indrindra ny diosezin’i Toa­masina. Voin-kava-mahatratra. Noho izany: “Miraisa saina ianareo rehetra, miombona alahelo, mifankatiava toy ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena”. (Taratasy I Piera 3: 8). “Mba haneho fitiavana araka izay fantatry ny fontsika fa mety izay, ary hahazoana manampy ireo havantsika any an-toerana”, hoy ny hafatra. Iangaviana ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen’ny eveka sy ny tomponandraikitra isaky ny diosezy hanehoana an’izay voin-kava-mahatratra izay. Maneho sahady fankasitra­hana ny rehetra tsy ankana­vaka ny Fivondronamben’ny eveka, nahafoy amim-pitia­vana ho an’ireo traboina any amin’ny diosezin’i Toamasina. Ampiarahana amin’ny asa ny vavaka atao ho an’ny tanindrazana, indrindra ho an’ireo namana sahirana.

R. Nd.

Partager sur: