FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho talen’ny birao misahana ny Fitarainana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika,
ny Me Rakotoanosy Raolidina Mampionona Olivier, nisolo ny Kly Rakotomamonjy Patrick. Lehiben’ny faritra vonjimaika any Alaotra Mangoro kosa, Rabema­nan­jara Elire, raha ho an’ny any Fenoarivo Atsina­nana, i Tody Arnaud.
Anio vao hiverina hiasa ny mpiasa rehetra any Toamasina, araka ny nambaran’ny manampahe­fana any an-toerana. Anton’izany fanapahan-kevitra izany ny fahapotehan’ity tanàna ity sy ny ho fanarenana tsy maintsy ataon’ny mponina. Tsiahivina fa nanomboka ny talata teo no niato ny fampianarana tany Toamasina.
Miantso fisaonam-pirenena sy fanantenana hanaovana tolo-tanana ho an’ny vahoakan’i Toamasina ny RMDM. Ankoatra izany, nambaran’izy ireo koa fa tokony hapetraka ny tondrozotra mazava hitantanana ny firenena. « Miantso ny mpanao politika mba hifampidinika sy hanao fifanarahana politika izahay », hoy izy ireo tetsy Ampandrana, omaly.
Naneho fiaraha-miory amin’ny vahoakan’i Toamasina ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, omaly, tao amin’ny facebook. Nambarany fa akaiky ny fony izy ireo na lavitra aza ny vatany. Nanao tahaka izany koa ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Ni­tondra fampiononana sy nampahery ireo fianakaviana niharam-boina…

Partager sur: