Miezaka manamafy ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Madagasikara. Tafiditra amin’ny politikan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika izany.
Mitarika delegasionina miatrika ny fivoriana any Addis-Abeba, anio sy rahampitso, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine. Anisan’ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Tafiditra amin’ ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina (UA), andiany faha-39, ity fivoriana ity ary ho eo ambany fitarihan’ ny filohan’i Djibouti, Mahamoud Ali Youssouf.
Efa nialohavan’ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Rahahambahiny sy ny fifandraisana maneran-tany an’i Djiboutia, Abdoulkder Houssein Omar izany, ny alakamisy lasa teo. Nampahafantarin’ny minisitra, Razanamahasoa Christine, tamin’izany, ny zava-misy eto Madagasikara sy ny fivoarana ary ny dingana irosoan’ny fitondran’ny Fanavaozan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Eo koa ny dinika amin’ny hitohizan’ny fiaraha-miasa sy fifanakalozana amin’ny sehatra maro eo amin’ny firenena roa tonta. Nampita ny fiombonam-pon’ny firenena Djibousianina ny minisitra Abdoulkder Houssen, manoloana ny fahavoazana mitranga eto amintsika noho ny fandalovan’ny rivodoza.
Ivontoerana momba ny vaksiny
Etsy andaniny, nandray ny minisitry ny Fahasalaman’ny fanjakana Bouhtan, i Tandin Wangchuk, sy ny ny tale jeneraly lefitry ny ivontoerana mpanao vaksiny, ny Pr Florian Marks, ny minisitra, ny talata teo. Voaresaka ny fiatrehana sy ny famonjena ny mararin’ny tifoidra na koa ny bilarziozy. Niatrika izany ny manampahaizana momba ny vaksiny, ny Pr Rakotozandrindrainy Raphaël sady ben’ny Tanànan’ Ambositra. Nivoitra, tamin’izany, ny hiaraha-miasa amin’io « Institut » any Bhoutana io amin’ny hanavaona vaksiny miady amin’ny tifoidra sy ny bilarziozy.
Synèse R.




