Midera ny fahaiza-manaon’ireo mpitsabo ny minisi-panjakana, Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa tena tsy mena-mitaha amin’ny hafa izy ireo. Tsiahivina fa efa afaka nody ny tenany sy ireo olona telo niaraka taminy rehefa nahazo fitsaboana taorian’ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ireo, raha nihazo ny RN44, afakomaly hariva.
Nanolotra vahaolana miisa fito ny filohan’ny SMM, Mbitanarivo, hivoahana amin’izao olana eto amin’ny firenena izao. Anisan’izany ny fametrahana tondrozotra mazava. Ny fampiharana ny politikan’ny fitsitsiana ka anahenana ny isan’ireo mpikamban’ny governemanta. Havaozina koa ireo Andrimpanjakana miaraka amin’ny fe-potoana mazava.
Nanambara ny filoha frantsay Emmanuel Macron, tao amin’ny facebook fa efa nangataka ny hanetsehana fanampiana ho an’i Madagasikara ny tenany, manoloana ny fahavoazana goavana nateraky ny rivodoza teto Madagasikara. Naneho ny firaisankina amin’ny Malagasy ihany koa izy, ankoatra ireo hetsika fanampiana efa ataon’izy ireo.
Mampahatsiahy sy manamafy ny minisiteran’ny Fitsarana fa voafaritry ny lalàna mazava ny fepetra sy ny fomba arahina amin’ny fisavana trano. « Manentana ny olom-pirenena rehetra mba hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana raha toa ka misy tranga fisavana trano atao ivelan’ny fepetra ara-dalàna », hoy ny fanambarana, omaly.




