Filoha Randrianirina Michaël: « Tsy voatery fizarana seza ny tondrozotra… »

Nanolotra ny taratasy tamin’ny iraky ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Sadc mamaritra ny Tondrozotra hitantanana ny firenena ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, ny faran’ny herinandro teo, teny Iavoloha. Nitondrany fanazavana, tamin’izany, ny momba ny sori-dalana.

Nambarany fa ao anatin’izany ny tatitry ny dingana sy ny asa vita amin’izao fanavaozana izao. Nomarihiny fa natao hoe «Fandaharanasan’ny Fa­na­vao­za­na» izany. « Ma­maly ny fanontaniantsika amin’ny hizoran’ny firenena io taratasy io », hoy izy. Voa­faritra amin’izany taratasy natolotra ny Fianakaviambe iraisam-pirenena izany koa ny dingana hotanterahina. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ny fikaonandoham-pirenena, miaraka amin’ireo tetiandro hanatanterahana azy. Ny momba ny fikarakarana sy ny fanomanana fifidianana.
Nohitsiny fa tsy mitovy amin’ny sori-dalana nahazatra tahaka ny tamin’ny taona 2009 izao tanterahin’ny firenena izao. « Diso ny fandraisantsika azy sy ny nitaizana antsika Malagasy… Aoka tsy hofitahina ny vahoaka fa tsy voatery ho fizarana toerana na fivorivorian’ny mpanao politika ny Tondrozotra », hoy izy. Nanteriny fa tokony hahay hifampitaiza sy hifanitsy isika tsy handray an-tendrony hatrany.
Fe-potoana 24 volana
hirosoana amin’ny fifidianana

Tsiahivina fa tapitra ny faran’ny volana febroary teo ny fe-potoana nomen’ny Sadc sy ny Vondrona afrikanina (UA) ny fitondram-panjakana amin’ny hanolorana amin’izy ireo ny antontan-kevitra mom­ba ny sori-dalana hitantanana ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fe-potoana 24 volana hahataperan’izao fitondrana izao ka hirosoana amin’ny fifidianana, araka ny fitakian’izy ireo.
Araka izany, voavaly izany izao ireo fanontaniana samihafa sy ny adihevitra momba ny Tondrozotra na ny sori-dalana.

Synèse R.

Partager sur: