Tokony hohafainganina ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, raha ny fanambaran’ny Komity miaro ny tolona (KMT), notarihin’ny mpandrindra nasionaly, Rakotomavo Lanto, teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Eo koa ny fanalana an’ireo mpiray petsapetsa tamin’ny fitondrana teo aloha any amin’ny sampandraharaham-panjakana, sakana amin’ny fanavaozana. Manohana ny fitondrana ny KMT, mahita ny dingana vita: famahana olan’ny jiro sy rano…
Naravona ho andininy 25 ny fehinkevitry ny antoko politika 103 nivory teny Ankorondrano, ny 12-15 desambra 2025, araka ny nambaran’ny sekretera mpanatanteraky ny Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika eto Madagasikara (Siap), Ratsiraka Annick, teny Faravohitra, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hanatsarana ny fomba fanaovana politika. Misokatra ny fanaovan-tsonia, aorian’izay, hatolotra ny fitondrana sy ny sehetra iraisam-pirenena izany.
Mitaky fikaonandoham-pirenena tena izy ny eo anivon’ny mpikambana amin’ny Faritra dimy eto Antananarivo (G5). Takin’izy ireo koa ny handraisan’ny rehetra anjara amin’izany. « Takinay koa ny hitondrana fanovana eo amin’ny sehatra rehetra. Miaro sy manamafy ny fizakan-tenan’ny isam-paritra koa izahay », hoy izy ireo.




