Profesora Andrianaivotseheno Ravaka: « Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ireo sampandraharaham-panjakana »

Nivoitra tao anatin’ny fivoriana niarahan’ny minisitera valo sy ny mpiahy ara-drariny notarihin’ny profesora Ravaka Andrianaivotseheno, omaly, fa hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ireo sampandraharam-panjakana…

Minisitera valo no nahazoan’ny teo anivon’ny Mpiahy ara-drariny fitarainana be indrindra avy amin’ny vahoaka. Manoloana izany, nisy ny fivoriana niarahan’ny eo anivon’ny Mpiahy ara-drariny sy ireo minisitera voakasika, omaly, teny amin’ny birao fiasan’izy ireo, eny Isoraka. « Anton’izao fivoriana izao ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fametrahana fomba fiasa sy fitsipika eo amin’ny Mpiahy ara-drariny sy ny sampandraharaham-panjakana », hoy ny fanazavan’ny eo anivon’ny Mpiahy ara-drariny, mpiaro ny zon’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny mpitarika, ny profesora Andrianaivo­tseheno Ravaka Vonimbola. Nambarany fa minisitera valo no nampanantsoin’izy ireo noho ny fitarainana avy amin’ ny vahoaka.

Tsy sazy fa fametrahana fitsipika…

Nivoitra tao anatin’izany ny fampahatsiahivana sy fa­namafisana ny etika sy deontolojia tokony hananan’ny mpi­asa amin’ny sampandraharaham-panjakana rehetra. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fitondrantena, araka ny fanazavan’ny Profesora hatrany. No­hamafisiny fa tsy sazy na fibedesana izao fampiantsoana izao fa fametrapetrahana ny fitsipika sy fiaraha-miasa ao anatin’ny zo fototra apetraky ny lalàna ho fitsinjovana ny zon’ny vahoaka sy ny tany tan-dalàna. «Hapetraka ma­zava ny fitsipika takina amin’ny mpiasam-panjakana. Izany hoe, fametrahana sakana mba tsy hisian’ny fitanilana na fanaovana kolikoly, ka ny va­hoaka hatrany no mitondra faisana», hoy hatrany izy. Niantso ny vahoaka malagasy ny Mpiahy ara-drariny fa ny asan’izy ireo dia tsy andoavam-bola. Noho izany, tsy tokony hisalasala ny rehetra hanao fitorohana raha misy tranga mahakasika ny fiainam-bahoaka.

Jean Claude

Partager sur: