Any Vatikana, efa andro maromaro izao, ny biraon’ny Fivondronamben’ny evekan’i Madagasikara (Fem). Mitarika azy ireo ny filohany, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien.
Noraisin’ny papa Leon XIV tao amin’ny biraony izy ireo ka anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fanirian’ireo eveka ny hahatongavan’ny papa Ray Masina eto Madagasikara. « Nasaina izy hitsidika antsika. Mbola ho avy anefa ny fampahafantarana miandalana ny fotoana tokony hitsidihany an’i Madagasikara. Mbola miankina tanteraka amin’ny eo anivon’ny fiketrahana Masina anefa izany », hoy ny sekretera mpandrindra ny Fem, ny Mgr Rafanomezantsoa Séraphin.
Notsiahivina tamin’izao fihaonana izao koa ny fanirian’ny fiangonana katolika ny hanandratana ho olomasina ny olontsambatra, Rasoamanarivo Victoire sy Botovasoa Lucien, raha efa nangataka izany ireo eveka ny taona 2022, fony fahavelon’ny papa François. Notsiahivin’ny papa Leon XIV tamin’ireo eveka ny dingana samihafa mbola arahina, mialoha ny hirosoana amin’izany fanandratana izany.
Etsy andaniny, nankahery ny Malagasy ny papa mba hiaina hatrany ny fanantenana nentin’ny taon-jobily 2025 sy hitondra izany eo amin’ny mpiara-monina. « Ny tenin’ Andriamanitra no hery mamelona izany fanantenana izany », hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny voaresaka tamin’ny fihaonana ny momba ny asa sosialy sy ny tontolon’ny fanabeazana eo anivon’ny fiangonana. Eo koa ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani, indrindra ho an’ny diosezin’i Toamasina.
Synèse R.




