Tombanana hahazo vahana kokoa ny oram-baratra any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana, amin’izao faran’ny herinandro izao. Vinavinaina hahatratra 50 hatramin’ny 80 mm ny tahan’ny rotsakorana ao anatin’ny 24 ora. Nahazo fampitandremana miloko maitso ny morontsirak’i Ambatosoa, Analanjirofo ary Toamasina.
Tranoheva miisa 100 no hanaovana fampirantiana ireo vokatry ny asa tanan’ireo vehivavy etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy izany.
Efa misokatra ny fandraisana antontan-taratasy handraisana ireo Malagasy mpianatra maniry hiditra ao amin’ny Foyers Universitaires Malgaches ao Arago sy Cachan, ho an’ny taom-pianarana 2026-2027. Ao amin’ny Mesupres, varavarana faha-6 no hanatanterahana izany hatramin’ny 6 mey.




