Fivondronamben’ny eveka ( CEM) : “Aoka ho be no ho ny teny ny fanatanterahana”

Nanao fanambarana, afakomaly, ny Fivondronam­ben’ny Eveka eto Madagasi­kara. “Ho anareo mpitondra, tsapa ny ezaka efa ataonareo amin’izao fijalian’ny vahoaka izao. Aoka ho betsaka no ho ny teny ambara ny fanatanterahana », hoy izy ireo. Niantefan’ny hafatra ny mpitondra fanjakana. Voakasik’­ izany ny fampanjakana ny fandriampahalemana manoloana ny olona very sy vono olona etsy sy eroa. ”Sao variana ianareo fa miha mahazo vahana hatrany ny ratsy. Aoka mba hisy ny mangarahara amin’izay tena anton’izao horohoro izao, fa tsy ho very anjavony toy ny mahazatra”, hoy hatrany ny fanambarana.
Nahazo ny anjarany ihany koa ny olom-pirenena tsirairay. Nohamafisian’ny CEM fa tsy tokony hanaiky horaviraviana handatsaka aina ny Malagasy. ”Sarobidy ary lahitokana ny aina, hoy ny Ntaolo. Didy hentitra no aroson’­ Andria­manitra ny hoe: aza mamono olona (Eks 20: 13). Tsy ny famonoana ny zaza sy ny olona marefo na oviana na oviana no hanala amin’izao fahantrana lalina izao. Avelao hiaina ny hafa, hiatrika ny fiainany. », hoy hatrany ireo raiamandreny am-panahy.
Etsy andanin’izay, Manao antso avo ny CEM amin’ny tokony hahasamy mailo ny olom-pirenena tsirairay manoloana ny mpanararaotra ny savorovoro ka mikendry ny hampisaritaka ny fiainam-piarahamonina. « Fadio ny endrikendrika sy ny torotoroka, ny famaliana faty ireo halako bika, tsy tiako tarehy. Loza ho an’ny fiarahamonina ny endrikendrika. », hoy izy ireo namarana ny fanambarana.

R. Nd.

Partager sur: