Mila apetraka ny mangarahara amin’izao horohoro izao, mba tsy ho very anjavony toy ny mahazatra ny fanadihadiana ny zava-misy ankehitriny, araka ny fanambaran’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), omaly. Nambaran’ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal fa iza no mahita tombony amin’izao. « Tsy hanala antsika amin’ny fahantrana izao », hoy izy.
Nankatoavina ny Lalàmpanorenana federaly, avy amin’ny Vondron’ny hetsika federaly, teny Andohanimandroseza, ny sabotsy teo. Mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny kolontsaina izany, araka ny nambaran’izy ireo. « Mizara roa ny rafitra federaly ka ahitana ny fanjakana federaly foibe sy ny faritany federaly amin’ny faritany enina teo aloha », hoy izy ireo.
Nahitsy ny mpikambana MFM, « Ramasy », fa anarana fotsiny ilay Fanavaozana. Nambarany fa ny eo ihany no miverina. « Tsy hanaiky izany izahay rehefa tonga ny fikaonandoha », hoy izy. Nanteriny fa tsy maintsy misy teny ierana no ifampitondrana eto raha tsy tiana ny hiverenan’ny krizy. « Manantena ny FFKM sy ny fanjakana izahay », hoy izy.
Nanao veloma ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, teny Ambohitsorohitra, afakomaly, ny masoivohon’i Frantsa, Arnaud Guillois. Maniry ny hitohizan’ny fifandraisana eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara ny ambasadaoro.




