Fikaonandoham-pirenena : Manahy ny amin’ny mety ho seho ivelany ny Gen Z

Nandray ireo solontena’ny komity mpikarakara ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly, teny Mahazoarivo. Nifanakalozana hevitra ny momba ny dingana amin’ny fikaonandoha.

Noresahina nandritra izao fihaonana izao ireo asa efa vita sy ny mbola miandry, hatao amin’ny fampidirana ny tanora amin’izao firosoana amin’ny fanavaozana eto amin’ny firenena izao. Manoloana izany, nanana ny heviny sy ny ambarany ireo tanora tamin’izany dinidinika izany.
«Miahiahy izahay tanora sao fihetsika ivelany fotsiny izao atao izao kanefa tsy horaisina akory ny hevitray tanora manerana ny Nosy», hoy ny solontenan’ireto tanora Gen Z ireto. Nambaran’izy ireo fa izany indrindra no nangatahin’izy ireo antoka tamin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Aoka tsy ho very maina fotsiny sy hanjavona eny an-dalana ireo fehin-kevitra naroson’izy ireo nandritra ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora.

Mihaino ny hetahetan’ny tanora

Nanamafy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana fa mihaino ny hetahetan’ny tanora ny governemanta. «Manao ny fomba rehetra ny fitondram-panjakana handraisana ny hevitr’ireo tanora rehetra tsy ankanavaka ao anatin’izao fanavaozana tanterahina eto amin’ny firenena izao», hoy izy.
Tsiahivina fa niara-nandray sy nihaino ireo solontenan’ny komity mpikarakara ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ireo solontena avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana, miasa sy monina eto amintsika.

Synèse R.

Partager sur: