Fifidianana filoham-pirenena : Nametraka fepetra ny ONU sy ny UA

Noraisin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, tetsy Antaninarenina, afakomaly, ny iraka avy amin’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), tarihin’i Idris Farah, sy ny solontenan’ny Firenena mikambana (ONU), Parfait Onanga-Anyanga.
Nambaran’ireto delegasionina fa hijery sy hanara-maso ny fandrosoan’ny dingan’ny Fanavaozana izy ireo, ahafahan’ny ONU sy ny UA manohana an’i Madagasikara hatrany amin’ny fifidianana. Noha­mafisin’izy ireo, tamin’izany, fa tsy tokony hiseho ny fanilikilihana. «Zava-dehibe ny fampandraisana anjara ny rehetra. Anisan’izany ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanam-behivavy, ny mpanao politika, ny mpitondra fivavahana mba ho eken’ny rehetra ny làlampanorenana hivoaka eo ary tsy hisy fifanilihana andraikitra», hoy izy ireo.
Notsindrin’izy ireo fa tompon’andraikitra tanteraka amin’ny fitantanana ny Fana­vaozana ny governemanta. Mpanohana ihany ireo mpiara-miombon’antoka sy ny se­hatra iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ireto delegasionina ihany. Nahitsy kosa anefa ny ONU sy ny UA momba izany. «Afaka hanampy ara-bola amin’ny fikarakarana ny fifidianana izahay raha sitraky ny Malagasy. Mila atao mazava sy mangarahara kosa anefa ny tetiandro amin’izany», hoy ihany izy ireo.
Nanambara kosa ny minisitra misahana ny Fanavaoza­na, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, fa efa vonona tanteraka ny minisitera tantaniny amin’ ny firosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena. Antontan-kevitra miisa 47 no efa novolavolaina. Hitondra tantsoroka ara-teknika, ara-pitaovana, ara-bola ho an’ny FFKM koa ity mi­nisitera ity. «Hiantoka ny fampandraisana anjara ny rehetra ao amin’ny fikaonandoham-pirenena izahay amin’izany», hoy izy. Notsiahiviny fa andraikitry ny minisitera ny fanavaozana ny fitantanana ny fifidianana sy ny Andrimpanjakana.

Synèse R.

Partager sur: