FANTINA sy FINTINA

Loza mitatao raha avela hitohy ny fitsaram-bahoaka, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Mampanjaka ny herisetra, ny valifaty ary ny tahotra izany. « Mila fanavaozana ny rafi-pitsarana hiverenan’ny fitokisan’ny olona. Tokony hanomboka amin’ny fanadihadiana izany ka hatramin’ny famoahana didy », hoy izy.
Hiara-kiasa hiady amin’ny kolikoly ny Bianco sy ny CUA ary ny Giz. Voaresaka tetsy Antaninarenina, omaly, ny momba ny famaritana ny faritra mety hisian’ny kolikoly mifandraika amin’ny dingana fanangonana ny hetra sy ny fidiram-bolan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Anisan’izany ny eny anivon’ny tsena…
Nalahelo i mompera Pedro rehefa nanontanian’ny mpanao gazety any ivelany fa miasa amina firenena mahantra indrindra maneran-tany, araka ny nambarany, omaly, teny amin’ny Akamasoa. «Manana harena maro i Madagasikara. Anisan’izany ireo ankizy sy tanora ankoatra ireo zavaboahary», hoy izy. Notsiahiviny fa manampy ny tanora ny tenany.
Mila ovana ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola (FMI), araka ny nambaran’ny mpandalina politika, Randriamamizafy Ignace, omaly. « Miantso ny fanjakana mba ny mety amintsika no tokony hatao eto. Aoka tsy hoteren’ny mpamatsy vola isika. Avelao hijanona rehefa tsy mety aminy ny fepetra apetratsika », hoy izy.

Partager sur: