Madagasikara-Chine-Russie : Fiaraha-miasa miorina ambony fifampitokisana

Notanterahina teny Nanisana, omaly, ny lanonana nanamarihina ny faha-25 taona ny fifanarahana eo amin’i Russie sy i Chine. Mahakasika ny fiarahamonina tsara, ny fisakaizana ary ny fiaraha-miasa izany.

Nampiantrano ny fotoam-pankalazana ny faha-25 taona nanaovan’i Russie sy i Chine ny fifanarahana momba ny fiarahamo­nina tsara sy ny fisakaizana ary ny fiaraha-miasa, omaly, ny ambasady sinoa eny Nani­sana. Fotoana nanamarihin’ny firenena roa tonta ny fahafaham-po avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Nitondra tombony lehibe ho azy ireo ny fahaizana miara-miaina ana­tin’ny fifampitokisana tante­raka. Manginy fotsiny ny fiezahan’ny roa tonta mifampire­saka sy mifanakalo hevitra. Raha misy ny olana na ny disa­disa dia mamaha izany anatin’ny fahatoniana sy ny fifanajana izy ireo. Izay rahateo no nivoitra tamin’ny lahateny nifandimbiasan’ny mpandaha-teny. Ny lehiben’ny ma­soivoho sinoa, i Ji ping, dia nanasongadina fa tsy misy mihitsy ny fifanambakana. Nibaiko ny fanatanterahana ny fifanarahana ny fikatsahana miaraka ny tombontsoa iraisana. Voakasik’izany avokoa ny varotra, ny fitandroana ny filaminana, ny teknolojia, ny angovo, ny fitaterana, sns.

3 000 miliara dolara

Nilaza ny mpirakidraha­raha rosianina, sady ambasadaoro mpisolo toerana, tamin’ ny kabary nataony fa zava-dehibe ny fifampitokisana sy ny fifampidinihana. Porofon’ izany ny vokatra azo, mahatratra 3 000 miliara dolara isan-taona ny tombony azon’ ny firenena roa tonta vokatr’ity fifanarahana ity. Nohamafisiny koa fa tahaka izany ny fomba itondran’izy ireo ny fifandraisana amin’i Madagasikara.
« Ilaina ny fifampitokisana sy ny fifampiresahana. Zava-dehibe ny fiaraha-midinika raha misy ny olana itadiavam-bahaolana », hoy izy tamin’ny lahateny nataony.

Fiandrianam-pirenena

Nisolo tena ny filohan’ny Fanavaozana, nitarika ny delegasionina, ny Praimini­sitra Rajaonarison Mamitiana. Nitondra ny lahateny ny minisitry ny Foloalindahy Mala­gasy, ny Jly Zafitombo Ely Ma­minirina. Nivoitra, tamin’izany, ny fanamafisana ny fiandrianam-pirenena. Zava-dehibe amin’ny fifandraisana diplaomatika ny tsy fitsabahana
amin’ny raharaha anatin’ny firenena iray. Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny maha zava-dehibe ny fisian’ny karazam-pifanarahana momba ny fiarahamonina mirindra sy milamina tahaka izao. « Vo­nona amin’ny fisokafana sy ny fiaraha-miasa rehetra i Mada­gasikara », hoy ity manam­boninahitra jeneraly ity. Tsy hadinony ny nitondra ny teny firariantsoa ho an’ny firenena sinoa sy rosianina, indrindra amin’ny 25 taona manaraka, aorian’izao tsingerintaona nomarihina omaly izao.

Riana Raymond

Partager sur: