Hanamafisana ireo fahaiza-manao ho an’ny mpiantsehatra amin’ny fikaonandoham-pirenena no hatao amin’ity jolay ity, araka ny tetiandron’ny FFKM. Manomboka amin’ny volana aogositra izao, hatramin’ny marsa 2027 kosa, ny firotsahana an-tsehatra. Miainga eny anivon’ny fokontany sy kaominina, ny distrika ary ny faritra izany.
Ny fitantanan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Anisan’ny hodinihina mandritra ny fivoriana tsy ara-potoana hataon’ny Antenimierampirenena. Miisa 12 ireo lalàna efa tonga eny Tsimbazaza amin’izao fotoana izao. Anjaran’ny governemanta ny mamaritra ireo lalàna ho dinihina mialoha. Tsy ho vita ao anatin’ny 12 andro anefa izany.
Hiampy iray indray ny isan’ny antoko politika. Hampahafantatra ny fijoroany etsy Antaninarenina, anio, ny antoko politika Liana fahasoavana ny Nosiko (LFN). Mitarika izany, Andriamiharijao Solofoharijao José. Hiompana bebe kokoa amin’ny maha olona sy sosialy ny antoko. Ho fantatra eo koa ny ho toeran’izy ireo amin’ny raharaham-pirenena.
Nanamafy ny fahaiza-manaony ireo mpitantana eo anivon’ny kaominina any Bongolava, ny herinandro teo. Anisan’ny niofanana ny fahefan’ny kaominina, ny lamina eo amin’ny filankevitra sy ny mpanatanteraka ary ny loharanom-bola sy ny tetibola. Niatrika izany ny ben’ny Tanàna sy ny filankevitra ary ny mpitambolan’ny kaominina.




