Nisy naratra tamin’ireo mpitokona mitaky ny hialan’ny ben’ny Tanàna ao Toamasina II sy ny tomponandraikitry ny Birao ifotony ny fananantany, omaly. Nanomboka ny alarobia 26 aogositra, nidina an-dalambe nilanja sorabaventy ny fokonolona avy amin’ny fokontany voakasika, toy ny ao Antanandava Tsarahonenana sy Ambalamanasy. Torohin’izy ireo ho mangalatra ny tany sy mivarotra izany amin’ny teratany vahiny ireo tomponandraikitra roa ireo. Ankoatr’io, heverin’ny fokonolona ho tompon’antoka tamin’ny fandravana ny trano izay tsy anatin’ny faritra fahatelo an’ny Spat koa, izy roa lahy ireo. Voakasik’izany koa ny fanirahana olona mametraka borne tavoahangy amin’ny sisin-tanàna an’olona mba hahafahana maka ny an’ny hafa, araka ny tatitra ny fokonolona tamin’ny zandary. Raha atsidika, nisy solontenan’ny fokonolona nosamborin’ny zandary ny alatsinainy lasa teo. Navotsotra anefa ireo olona ireo ny alarobia 26 aogositra teo. Nirohotra nanohy ny fitokonana ny fokonolona, omaly. Lehilahy iray naratra vaky teo amin’ny tatamasony vokatry ny fifandonana.
Sajo




