Fomba fiasa apetraky ny Ceni amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana
ny fanakaikezana vahoaka. Nambaran’ny filoha lefitry ny Ceni ho an’ny faritanin’Antananarivo, Zoelson Andrianirina, fa efa am-perinasa ny sehatra « Ambohipihaonana ». « Manakaiky kokoa ny olom-pirenena izahay amin’io fomba fiasa sy paikady io », hoy izy. Anisan’ny nanatanterahina izany, omaly, ny tetsy amin’ny biraon’ny faritra Analamanga, etsy Ambohidahy. Tahaka izany koa ny eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha sy ny eny Ambohitsorohitra. Mitondra karapanondrom-pirenena ireo mpiasa amin’ireny toerana ireny ka raisina ny mombamomba azy, araka ny nambarany hatrany. « Afaka mitondra ny karapanondron’ ny any an-trano koa izy ireo mba hosoratana anaty lisi-pifidianana », hoy ihany izy.
Efa nitety ny ankamaroan’ ireo minisitera ny avy amin’ny Ceni. Teo koa ny nanaovana ity hetsika na sehatra « Ambohipihaonana » ity tetsy Ambohijatovo, ny herinandro teo. Nitohy teny amin’ny Makis Andohatapenaka izany avy eo. « Antony nanaovana izany ny tsy fahatrarana ny olona any an-trano noho ny asa aman-draharaha. Hisorohana ny filazana fa tsy voasoratra anaty lisitra izao fomba fiasa izao », hoy ihany izy.
Etsy andaniny, mitohy hatrany koa ny fomba fiasa mahazatra amin’ny fanatonan’ ny olom-pirenena eny amin’ny biraom-pokontany. Eo koa ny fitetezan’ny CLRE ny trano. Manampy izany ny fisoratana anarana amin’ny alalan’ny tambajotra ao amin’ny tranonkalan’ny Ceni.
Synèse R.





