Billard – IBF Taom World Series : Malagasy efatra hifaninana atsy Afrika Atsimo

Hanana solontena ao anatin’ny ekipa voafantina Rest of the World Tigers, amin’ny taranja Billard, ny Malagasy. Efatra mianadahy izy ireo ary hiatrika ny fiadiana ny IBF Taom World Series, hatao atsy Afrika Atsimo. Ankoatra izay, mbola hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ihany koa. Hifanindran-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ ny Billard, hatao atsy Cap-Town, Afrika Atsimo, ny 23 oktobra ka hatramin’ny 1 no­vambra ho avy izao, ny an­diany voalohany amin’ny IBF Taom World Series. Fihao­nana karakarain’ny Inter­national Blackball Federation, hifanandrinan’ny ekipa hivondronan’ireo mpilalao avy amin’ ny firenena samihafa. Manana solontena voafantina amin’ izany ny Malagasy ka roa lahy ary roa vavy. Ho an’ny Andri­am­bavilanitra, voafantina ao anaty ekipa “Rest of the World Tigers”, Rambahy Fahren sy Rabetafika Anja Malala. Mia­raka amin’ireo mpilalao aostralianina sy maorisianina ary girbaltar izy ireo. Ankoatra ity ekipa Tigers ity, eo koa ny South Africa Panthers ary ny Lions hiarahan’i Angleterre sy Irlande. Hifandimby hifanandrina ireo ekipa ireo ka tsy miaro ny firenena misy azy ireo mpilalao ao anatiny fa ho an’ny ekipany. Ho an’ny lehilahy indray voafantina ao anatin’ny ekipa Tigers Rahary Danny sy Maminiaina Loic. Hahitana firenena dimy ao anatiny dia i Madagasikara, Aostralia, Gilbaltar, Pays-Bas ary i Maurice. Masontsivana nifantenana azy ireo ny laharana nisy tamin’ny fifanina­nana nokarakaraina teto Mada­gasikara. Nalefa tany amin’ny IBF ny anaran’ireo mpilalao ireo ka izy ireo no na­namarina sy nankatoa ny maha mpilalao ao anaty Tigers. Fotoana hahazoan’ireo Mala­gasy mpilalao mandrefy ny heriny manoloana ireo mpilalao iraisam-pirenena ary ha­nehoana eo imason’izao tontolo izao, ny Billard malagasy ity fihaonana ity. Tsiahivina fa sady hiatrika ity IBF Taom World Series ity, izy efatra mia­na­dahy no hanao ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ihany koa.

Tompondaka

Partager sur: