Nanainga omaly, tetsy Ivato, hihazo an’i Afrika Atsimo, ny delegasionina malagasin’ny Barea, vehivavy, izay hifandona amin-dry zareo Afrika Atsimo Banyana Banyana. Miisa 23 ireo mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena.
“Afaka iray andro”! Hifanandrina amin’ny ekipam-pirenen’i Afrika Atsimo, Banyana Banyana, ny Barea, vehivavy, rahampitso, ao amin’ny Kianjan’ny Free State Stadium atsy Afrika Atsimo. Fihaonana mandroso tafiditra anatin’ny fifanintsanana lalao Olympika 2028, izay hatao any Los Angeles Etazonia. Malagasy mpilalao miisa 23 no nantsoin’ny mpanazatra Raux Auguste handrafitra ny ekipa nasionaly Barea.
Raha ny filazan’ ny Coach Raux, omaly, efa tapa-bolana mahery teo izay ireo mpilalao no niatrika fampivondronana. Misy mpilalao vaovao enina. “Somary nohamafisinay nandritra ny fanazaran-tena ny resaka fiarovana sy ny valim-panafihana. Efa nanao ny analyse video izahay, ary ireo no paikady entina hanoherana azy ireo”, hoy ity mpanazatra ity. Notsiahivin’i Coach Raux fa ekipa efa sangany aty Afrika ry zareo Afrikanina Tatsimo, efa nahazo ny tompondakan’i Afrika, ny taona 2022, ary niatrika famaranana in-dimy, (1995, 2000, 2008, 2012, 2018). Ny Can 2024 ho an’ny vehivavy farany teo, laharana fahefatra ry zareo.
Tsiahivina fa hatao ny 13 oktobra ho avy izao, ao amin’ io Kianja io ihany ny fihaonana miverina ho an’ny Barean’i Madagasikara, vehivavy, sy ny Afrika Atsimo Banyana Banyana. Raha tafita eo ny Malagasy dia hiatrika indray ny dingana fahatelo amin’ny fifanintsanana, izay hatao eo anelanelan’ny 23 febroary – 6 marsa 2027.
Fitia Randria
Ny lisitrin’ny mpilalao 23 mandrafitra ny Barea vehivavy :
Mpiandry tsatoby : Diana, Anastasie, Tojo
Vodilaharana : Solange, Kanto, Tantely, Oliva, Jessica, Florence, Landrina
Afovoany : Tity, Nivo, Jenny, Mitia, Mampi, Adilayah, Julie
Lohalaharana : Christina, Hasiniony, Ando, Sarah, Sanera, Nasolotiana
Mpanazatra : Raux Auguste





